Maso Manjohy | CCOC

Fandalinana ny fahafahampon’ny olom-pirenena

Jereo ny sarin-tany izay mampiseho ny fitsinjarana ny tetibola isam-paritra sy isa-tsehatra. Ity fizarana ity dia ahitana ny fomba fitsinjarana ny loharombolam-panjakana manerana ny faritra.

Mifandray mivantana amin’ireo antontan’isa ara-bola ireo, ny sarintany dia maneho ihany koa ny tahan’ny fahafahampon’ny mpampiasa ireo servisim-mpanjakana efa misy, ka ahitana mivantana sy afahana mandrefy ny fahombiazan’ny tolotra sy ny kalitaony isaky ny faritra.

Ity fitaovana ity dia manamora ihany koa ny fahafantarana ireo laharam-pahamehana amin’ny fampiasambolam-panjakana ary manasongadina ny elanelana mety hisy eo amin’ny famatsiambola sy ny hetaheta ary hevitry ny olom-pirenena, ka afahana mandrisika ny hisian’ny dinika hiaraha-mientana mba ho  fanatsarana ireo servisim-mpanjakana