Ny Volantsika - Fahasalamana
Budget MNSAP
No Data Found
Part dans le budget de l'Etat
No Data Found
Fivoaran’ny tetibolan'ny sehatry ny fahasalamana (LFI 2023 - CDMT 2027)
Ny tetibolan’ny MSANP dia tafiakatra 920,9 miliara Ariary anatin’ny LFI 2025, izay nahitana fiakarana +28,4% oharina amin’ny taona 2024.
Izany fiakarana izany dia vokatry ny fitombon’ireo famatsiam-bola ivelany. Ny fahasalamana dia 6,4% ny volam-panjakana amin’ny ankapobeny ary mbola lavitry ny fifanarahana iraisam-pirenena Abuja 15%.
Vinavinaina hisy fiakarany ny tetibolan’ny fahasalamana raha ny CDMT 2026 raha toa kosa hihena efa ho amin’ny antsasany izany raha ny CDMT 2027.
- CDMT : Cadre de Dépenses à Moyen Terme
- LFI : Loi de Finances Initiale
- LFR : Loi de Finances Rectificative
Fitsinjarana eo amin’ireo sokajy fandaniana (LFI 2023 – CDMT 2027)
Ny karama dia eo amin’ny laharana faharoa amin’ny sokajy fandanian’ny fahasalamana, 29,2% ny tetibola ary tafiakatra ho 268,8 miliara Ariary, nahitana fiakarany kely dia kely +1,6% oharina ny taona 2024.
Ireo fampandehanan-draharaha dia mitetina 65,2 miliara Ariary, nihena -4,2% mitaha amin’ny LFR 2024.
Ny fampiasam-bola kosa dia nahitana fiakarany (+52,8%), nohon’ny fiakarana +130% teo amin’ny findramam-bola (201,2 miliara Ar) sy +44,3% teo amin’ny fanampiana ara-bola (344,9 miliara Ariary), raha toa kosa ka nihena -29,3% ny teo amin’ny loharanom-bola madidio avy ato anatiny (40,8 miliara Ariary)
Ny fampihenana ny tetibola ho an’ny fampandehanan-draharaha dia mety hisy vokadratsiny amin’ny kalitaon’ny servisy.
Ny CDMT 2026 dia mamaritra fa hisy fiakarany hoan’ny sokajy rehetra, raha toa ka hisy fihenana kosa ho an’ny fampiasambola ny taona 2027.
Budget en milliards Ar.
No Data Found
Budget en milliards Ar.
No Data Found
Fitsinjaran’ireo loharanom-bola (LFI 2023 – CDMT 2027)
Ny loharanombola madiodio avy ato anatiny ho an’ny sehatry ny fahasalaman dia 374,8 miliara Ariary, ary nahitana fihenany -4% oharina amin’ny taona 2024. Ireo tetibola avy any ivelany kosa dia 546,2 miliara Ariary, ary nahitana Ariary +67,4%.
Etsy andaniny, tao anelanelan’ny taona 2023-2025 dia tsy marin-toerana hatrany ireo famatsiam-bola ivelany, ary manamafy izany ny CDMT 2027 izay maminavina fa ho lasa 42,5 miliara Ariary fotsiny izany nohon’ny tsy fahitana mazava ireo loharanombola. Izany no manamafy fa tokony hiezaka hatrany anome vola avy ato anatiny bebe kokoa ny fanjakana mba hiantohana ny fampivoarana ny sehatra.