Am-polony ireo tatitra momba ny sekoly tsy mbola nahazo “kit scolaire” no lasa porofo tsy azo ivalozana. Fantaro ny fahafahana manokatra adihevitra amin’ny alalan’ireo angon-kevitra mba hahatonga ny tetibolan’ny fanabeazana ho vokatra tena hita maso eny an-kianja.
Matetika izahay no mandray tatitra avy amin’ny olom-pirenena: sekoly tsy nahazo « kit scolaire », sekoly tsy nohavaozina ara-potoana… Mety ho tsy dia manan-danja eo anatrehan’ny haben’ny tetibolam-panjakana ireny fitarainana ireny. Saingy ho anay, ny fitarainana tsirairay dia mandrafitra ny olana lehibe misy sy hahafahana mijery lavitra. Ny asanay dia tsy mijanona amin’ny antso an-tariby fotsiny. Raisinay ireo angon-kevitra ireo, ampitahainay amin’ny tetibola 1942, 5 lavitrisa natokana ho an’ny fanabeazana, ary asehonay eto amin’ny Maso Manjohy ny elanelana misy eo amin’ny fandaniana sy ny zava-misy.
Amin’ny fampahafantarana izany tsy fitoviana izany, ho hita maso sy azony rehetra, dia tsy tranga manokana intsony no misongadina, fa olan-drafitra mihitsy. Io mangarahara io no manetsika ny fifanakalozan-kevitra ary manery ny tompon’andraikitra hanazava ny fandaniany. Ny tatitra ataonao, miaraka amin’ireo an-jatony hafa, no miova ho porofo tsy azo lavina sy hery mitondra fiovana.