Araho ny Sampan-draharaham-panjakana eto Madagasikara
Sehatra natokana ho an’ny fanarahamaso ataon’ny olom-pirenena momba ireo tolotra ho an’ny daholobe sy ny fahafaham-pon’ny mpanjifa.
Tongasoa eto amin’ny tranonkalan’ny CCOC ! Ity sehatra ity dia natokana ho anao mba hahafahanao mahazo vaovao mikasika ny asa ataonay, ny tetibolam-panjakana, ary maneho hevitra momba ny fisitrahana ireo servisy atolotry ny fanjakana ho an’ny daholobe eto Madagasikara.
Manan-danja ny Feonao : Araho ireo Sampan-draharaham-panjakana eto Madagasikara
Samy manana anjara toerana ny olom-pirenena tsirairay. Ny fahalalana ny fomba fampiasana ny volam-panjakana dia midika fandraisana anjara amin’ny fananganana Fanjakana marina sy mahomby kokoa.
Ity sehatra ity dia manome fitaovana ho anao hanaraha-maso ny tetibola natokana ho an’ireo tolotra fototra, hilazana izay mandeha tsara (na tsy mandeha), ary hampihaino ny feonao raha misy olana mitranga.
Tsy mpijery fotsiny intsony: mianara vaovao, milazà hevitra, ary mihetseha.
Ireo Sampan-draharaha voakasika
Mifantoka amin’ireo tolotra fototra izay misy fiantraikany amin’ny fiainanao andavanandro izahay.
Fahasalamana
Ny programa dia tantanin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hiresahana ny tetibola sy ny kalitaon’ny tolotra, indrindra momba ny fisitrahana ireo tolotra ara-pahasalamana eny anivon’ireo toeram-pitsaboana tantanin’ny fanjakana.
Fanabeazana
Ny programa dia sahanin’ny ministera telo: Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, Ministeran’ny Fampianarana Ara-teknika sy Fanofanana arak’asa, ary ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa. Hojerena amin’ny tetibola manontolo natokana ho an’ny sehatra, ny ampahany natokana ho an’ny sekoly, ary koa ny kalitaon’ny tolotra.
Rano, fidiovana ary fahadiovana
Ny programa dia tantanin’ny Ministeran’ny Rano, Fidiovana ary Fahadiovana. Ahitana ny momba ny teti-bola sy ny kalitaon’ny tolotra mifandraika amin’ny fisitrahana rano sy ny fotodrafitrasa momba ny fahadiovana sy ny fidiovana.
Herinaratra
Ny programa dia tantanin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Hojerentsika ny tetibola manontolo sy ny kalitaon’ny tolotra momba ny fizarana herinaratra.
Ho amin’ny tolotra tsara kokoa, manan-danja ny feonao.
Lazao izay iainanao isan’andro. Zava-dehibe ny fanehoan-kevitra rehetra mba hitakiana mangarahara sy andraikitra bebe kokoa avy amin’ireo tompon’andraikitra.
Tetikasa tohanan’ny AFCNDH
Ity tetikasa fananganana sehatra fanarahamaso ho an’ny olom-pirenena momba ireo sampandraharam-panjakana ity dia tanteraka noho ny fanohanana stratejika sy ara-teknika avy amin’ny Fikambanana AFCNDH, izay manampy ireo fiarahamonim-pirenena amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fampiroboroboana ny fitantanana demaokratika aty amin’ireo firenena miteny frantsay. Mankasitraka tanteraka ny AFCNDH izahay noho ny fahatokisana sy ny fandraisana andraikitra, izay ahafahanay mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny volam-panjakana hisian’ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra.
Ireo Hetsika Ataonay
Découvrez nos dernières nouvelles et événements
Restez informé de l’engagement de Tolotsoa sur le terrain. Explorez nos articles et mises à jour sur nos projets, nos actions de sensibilisation, nos partenariats et les avancées en matière de gouvernance et de participation citoyenne à Madagascar. Votre source d’information pour un impact durable.