Momba Anay
Ny iraka ataonay
Ho mpitandro ny demaokrasia sy ny fanjakana tandalàna, indrindra manome lanja ny fitantanana tsara sy ny fanajana ny zon’ny olom-pirenena, ary miasa amin’ny fampiharana ny “Fihavanana” eo amin’ny sehatra iainana andavanandro.
Ny tanjonay
Amin’ny alalan’ity tetikasa ity, ny tanjona lehibe indrindra dia ny fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena hisian’ny fitantanana tsara kokoa eto Madagasikara.
Ny Vinanay
Fiarahamonina Malagasy iray izay hiantohan’ny governemanta fa hanana fiainana mendrika ny olom-pirenena rehetra, ka hisian’ny fampivoarana ny maha-olona sy ny soa iombonana, ao anatin’ny rafitra iombonana sy mampandray anjara ny rehetra.
Ny soatoavina tandrovanay
Ny asanay dia tarihin’ny fitsipika fototra izay miantoka ny fandraisan’andraikitra ataonay. Apetrakay eo afovoan’izany ny mangarahara mba hiantohana ny fagaraharahana ny fandaniana ny volam-panjakana.
Fangaraharana
Fitantanana iombonana
Fahamatorana
Tamberin’andraikitra
Soa iombonana
Dinika mampandray anjara ny rehetra
Ireo mpiara-miombon’antoka aminay
Tanteraka ny asanay noho ny fanohanana sarobidy avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, izay mitovy fijery ny amin’ny hisian’ny fitantanana madio sy ny fampandrosoana ara-drariny. Miara-miasa izahay mba hampitombo ny fiantraikan’ny asa atao eo amin’ny fiainana andavan’andro ary mba ho amin’ny hoavy tsara kokoa eto Madagasikara.