Tobim-pahasalamana tsy manana vaksiny etsy, fitaovana fototra tsy ampy eroa… Matetika ny tatitra avy eny ifotony no mariky ny tsy fahatomombanana voalohany. Tsy raisinay tsikelikely fotsiny nefa ireny, fa ataonay ho tondro famantarana lehibe. Angonin’ny ekipanay sy atao anaty sarintany ireo tatitra ireo ary ampitahainay amin’ny angon-drakitra momba ny tetibolan’ny fahasalamana.
Ity sarintany ity no maneho ny elanelana sy ny tsy fahampian’ny famatsiana eo amin’ny sehatra nasionaly. Io fijery iombonana sy azon’ny rehetra idirana io no ahafahan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny haino aman-jery mametraka ny fanontaniana tena mifandray amin’ny tranga misy marina amin’ireo mpanapa-kevitra. Izany no ahafahan’olona an-tapitrisany mahazo tombontsoa amin’ny fanitsiana ny laharam-pahamehana, na tsy mivantana ary. Antoka fa mipàka marina tokoa eny anivon’ny vahoaka ny 921 lavitrisa natokana ho an’ny fahasalamana.