Mankaiza ny volantsika?
Fangaraharana momba ny fampiasana ny volam-panjakana
Tetibola natokana ho an'ny fanabeazana (2025)
Ny loharanom-bola dia ampiasaina mba ho entina manatsara ny fisitrahana ny fanabeazana sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Ny fanjakana dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fanamboarana sekoly, fizarana fampitaovana ny mpinatra ary ny fametrahana ny « cantines scolaires ».
Anisan’ireo tanjona napetraka ho an’ny fanabeazana ny fampitombona ny fifindrana eo amin’ny ambaratonga voalohany ho any amin’ny faharoa ho lasa 72,1%.
Tetibola natokana ho an’ny fahasalamam-bahoaka (2025)
Ny loharanombola natao hanohizana ny asa ataon’ny Fanjakana amin’ny fanarenana ny fotodrafitrasa sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana.
Marihina fa ny tahan’ny vaksiny teto Madagasikara dia 86% tamin’ny taona 2023. Ny Fanjakana dia nanao fanamby ny hampandeha ireo tobim-pahasalamana sy hanamafy ny fizarana vaksiny ary hanatsara ireo fandaharan’asa ara-pahasalamam-bahoaka
Tetibola natokana ho an’ny sehatry ny angovo sy ny solika (2025)
Ny programa fampiasam-bola ho an’ny daholobe (PIP) dia natao hanohizana ny tetikasa ”hydroéléctrique Mandraka III sy Volobe”, ny fametrahana foibe famokarana herinaratra sy ”kits solaires”, ary ny fanodianana ny fako ho lasa angovo
Ny Fanjakana dia mikendry hampiakatra ny taham-pisitrahana herinaratra ho tonga 45% amin’ny 2026 ary 55% amin’ny 2027
Tetibola natokana ho an’ny sehatry ny rano, fidiovana ary fahadiovana (2025)
Ny Fanjakana dia mikendry ny hanatsarana ny fisitrahan’ny rehetra ny tolotra mikasika ny fahadiovana ka hahatratra taha 27,2% amin’ny taona 2030, ary hampitombo ihany koa ny isan’ny olona manaraka ny fomba sy fenitra amin’ny fahadiovana
–