Maso Manjohy | CCOC

Ny Volantsika - Angovo

Budget MNSAP

Part dans le budget de l'Etat

Fivoaran’ny tetibola ny sehatry ny angovo (LFI 2023 - CDMT 2027)

Ny MEH dia manana tetibola 1 332 miliara Ariary ny taona 2025, izay ahitana fiakarana +226,6%, indrindra noho ny fiakaran’ny fampiasam-bola avy ato anatiny. Noho izany dia tafakatra eo amin’ny laharana faha 4 amin’ireo fadaniana ankapobeny ny fanjakana ny sehatry ny angovo, izay manana 9,2%, raha toa ka tany amin’ny laharana faha 8 izy ireo taloha.
Ny vina ny CDMT 2026-2027 dia mamaritra fa mbola hisy ny fiakarana hoan’ny sehatra.

Fitsinjarana eo amin’ireo sokajy fandaniana (LFI 2023 – CDMT 2027)

Ny karama eo anivon’ny MEH dia 4 miliara Ariary ary mari-toerana izany hatrany main’ny taona 2023. Ny fampandehanan-draharaha kosa dia mitetina 4,5 miliara Ariary, ka nihiena -8,5M oharina amin’ny 2024.
Ny fampiasam-bola kosa dia nahitana fiakarana lehibe +231,6%, ka mitetina ho 1 323,5 miliara Ariary izany. Io fiakarana io dia tsikaritra be be kokoa teo amin’ny fampiasam-bola anatiny izay 587,6 miliara Ariary, izay efa ho ampaha hefany amin’ny fitambaran’ny fampiasam-bola avy ato anatiny ny fanjakana.
Izany fampiasam-bola izany dia voasokajy hanatanterahana ireto tetikasa ireto, fametrahana ”parc solaire 250MW, éoliennes 30MW, centrale thermique 105 MW” ary koa fividianana ”panneaux solaires, kits solaire” hoan”ny tonkatrano sy fanamboarana tabazotra fitsinjarana herinaratra sy fitaovana teknika.

Budget en milliards Ar.

Budget en milliards Ar.

Fitsinjaran’ireo loharanom-bola (LFI 2023 – CDMT 2027)

Ny fandaniana avy amin’ny famatsiam-bola madiodio avy ato anatiny dia tafakatra ho 596 miliara Ariaryn raha toa kosa ka 753,9 miliara Ariary ireo famatsiam-bola ivelany. Samy nahitana fiakarana avokoa ireo : +939,8% (famatsiana anatiny) ary +109,9% (famatsiana ivelany).
Ireo fiakarana ireo no manamafy fa misy ny fanaovana ho laharam-pahalmehana ny sehatry ny angovo. Etsy andaniny, ny vina ny CDMT hoan’ny roa taona manaraka dia mbola mitazona izany fiakarana izany.
Kanefa, mba hiantohana ny fahombiazana amin’ireo fampiasam-bola ireo ary, dia ilaina ny fanamafisana ny drafitra hampadrosoana ny sehatra. Ny fanomanana mazava momba ny laharam-pahamehana, ny filàna ara-teknika ary ny vokatra andrasana dia afahana mamantatra ny tokony ho fampiasana ny loharanon-karena amin’ny fomba stratejika sy maharitra.