Maso Manjohy | CCOC

Ny volantsika - Fanabeazana

Budget Education

Part dans le budget de l'Etat

Fivoran’ny tetibola natokana hoan’ny sehatry ny fanabeazana (LFI 2023 - CDMT 2027)

Ny tetibola ho an’ireo ministera telo misahana ny fanabeazana dia mitentina 1 942,5 miliara Ariary, ary nahitana fiakarany kely +1,1% oharina amin’ny LFR 2024. Ireo vinan’ny CDMT 2026-2027 dia mamaritra fa hisy fiakarany ireo tetibola, na izany aza mbola lavitra ilay fifanekena iraisam-pirenena 20% amin’ny tetibolam-panjakana ankapobeny izany.

Fitsinjarana eo amin’ireo sokajy fandaniana (LFI 2023 – CDMT 2027)

Ny fitsinjaran’ny tetibola dia mamaritra fa misy ny fihenana teo anivon’ny karama (1 218,1 miliara Ariary) sy ny fampandehanan-drahara (310,7 miliara Ariary), ny tsirairay dia nihena -3,1% avy. Etsy andaniny ny fampiasam-bola kosa dia mahatratra 213,7 miliara Ariary, ary nahitana fiakarany +56,3%.
Ny CDMT 2026-2027 dia maminavina ny hisian’ny fiakaran’ny tetibola ho an’ireo sokajy rehetra.
Raha ny zava-misy dia 64% ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany dia FRAM avokoa, matetika tsy ampy fiofanana, ny fihenan’ny tetibola ho an’ny karama sy fampandehanan-draharaha dia mety hampitombo ny faharefon’ny fanabezana ka mahatonga ny fanairana amin’ny tokony hanamafisana ny tetibola ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana

Budget en milliards Ar.

Budget en milliards Ar.

Fitsinjaran’ireo loharanombola (LFI 2023 – CDMT 2027)

Ny tetibola madiodio avy ato anatiny dia tafiakatra 1 812,7 miliara Ariary, izay 93,3% ny famatsiam-bola rehetran’ny sehatry ny fanabeazana, raha toa kosa ka 129,9 miliara Ariary ireo famatsiam-bola ivelany.
Araka ny antotan-kevitra 2024 ny banky iraisam-pirenena dia kely dia kely ny fandaniam-bola isaky ny mpianatra amin’ny ankapobeny eto Madagasikara, latsaka -78% oharina amin’ireo firenena aty atsimon’ny sahara (122 dolara raha fifadanjan’ny fahefa mividy)
Manamarika izany fa na lazaina aza fabetsaka ny vola omena ny sehatra, mbola tsy ampy izany manoloana ny filàna, ka mametra ireo ezaka amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny fanabeazana.