Maso Manjohy | CCOC

Ny volantsika - Rano, Fidiovana ary Fahadiovana

Budget MNSAP

Part dans le budget de l'Etat

Fivoaran’ny tetibola ny sehatry ny EAH (LFI 2023 - CDMT 2027)

Ny tetibola ho an’ny MEAH dia 600,2 miliara Ariary, ahitana fiakarana goavana +96,1% oharina amin’ny 2024, noho ny fiakaran’ireo loharanombola avy any ivelany. Tsy mety marin-toerana hatrany ny famatsiam-bola ho an’ny sehatra tao anatin’ny tetibolam-panjakana ka 4,2% hoan’ny taona 2025 ary vinavinaina ho lasa 3,9% sy 2,4% raha ny CDMT 2026-2027.

Fitsinjarana eo amin’ireo sokajy fandaniana (LFI 2023 – CDMT 2027)

Ireo fandaniam-bola eo anivon’ny sehatra EAH dia miompana tanteraka amin’ny findramam-bola fanampiana ara-bola. Ireo programan’asa dia tafakatra ho 597,1 miliara Ariary ary ahitana fiakarany +213,4 % izay tarihan’ny fidramam-bola sy fanamopiana ara-bola. Ny tetibola ho an’ny karama kosa dia marin-toerana fa ny fampandehanan-draharaha no miaka-midina.

Budget en milliards Ar.

Budget en milliards Ar.

Fitsinjaran’ireo loharanom-bola (LFI 2023 – CDMT 2027)

Na eo anivon’ny famatsiam-bola anatiny na ivelany dia tsy misy marin-toerana avokoa ny loharanom-bola ny sehatra EAH. Raha ny famatsiana anatiny dia 182,2 miliara Ariary, ka ahitana fiakarany +5,5% ny taona 2025. Ireo famatsiambola ivelany kosa dia 418 miliara Ariary ka nitombo +213,4% raha oharina amin’ny 2024.

Ny CDMT 2026 dia maminavina ny hisian’ny fiakarana hoan’ireo loharanom-bola rehetra fa ny CDMT 2027 kosa dia mamaritra fiakarana eo amin’ny famatsiambola anatiny raha fihibana ho an’ny famatsiam-bola ivelany.